<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>35</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Isaoranay, ry Ray,
 Ny fitiavanao ;
 Fa indro azonay
 // Ny taombaovao //
 Ry Tompo ô, ambeno,
 Izao fifaliana izao
 Ka aoka re ho feno
 Ny hasoavanao.

[V2]
 Ny taona vao lasa
 Nipaoka olon-tsoa
 Ireny mba nikasa
 // Mba ho tafita koa //
 Ny fitondràna anefa
 Afeninao, ry Ray !
 Ka nony miantefa
 Vao sina izahay.

[V3]
 Fanahy ô, avia
 Hitari-dàlana e !
 Mandroso izao ny dia
 // Hamaky rano be //
 Ny herinao tsy lefy
 No tanjaky ny fo
 Ka ampy mba ho fefy,
 Raha avy ny manjo.

[V4]
 Itoero, Jeso tia
 Ny sambonay re !
 Na tony na maria,
 // 'Ty ranomasim-be //
 Raha Hianao no hita
 Tsy fefika izahay
 Ambara-piampita
 Arý an-tratran-dRay.</lyrics>
<title>Isaoranay, ry Ray FFPM35</title>
<author>S. Rahamefy</author>
</song>